<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Ndriana RAMAMONJY</author>
<lyrics>[V1]
 Tompo ô ! jereo 'ty fivoriana
 'Zay irinay ho tantananao
 Ny sainay anie tsy ho variana
 Masonay hibanjina Anao
 Amorony fo madio koa izahay
 Ary havaozy ny fanahinay
 Mba hiorim-paka ao Aminao izahay
 'Zay maniry ny hidera Anao

[V2]
 Tsy mba sitrakao ny fivoriana
 Haroharoam-paharatsiana
 Nefa raha miaiky ny otanay 'zahay
 Dia mahatoky sy marina Ianao
 Ka mamela ny fahotanay Ianao
 Manadio anay ihany koa
 Ho afaka amin'ny tsy fahamarinana
 Tompo ô ! miandrandra Anao 'zahay</lyrics>
<title>NY FIVORIANAY ASAFA13</title>
<hymn_number>13</hymn_number>
</song>